<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>T. Williams</author>
<title>Ny taom-baovao dia tonga indray FFPM749</title>
<lyrics>[V1]
 Ny taom-baovao dia tonga
 indray
 Ho fiantsoanao anay
 Mba hanoloranay Anao
 Ny tenanay voavotrao.

[V2]
 Fa maro be, ry Tomponay !
 Ny zava-tsoa nomena anay
 Tamin'izao taon-dasa izao,
 Izay isaoranay Anao.

[V3]
 Ny mafy izay manjo anay,
 Tsy tonga foana aminay,
 Fa mba ho fitahianao
 Izay miankina aminao.

[V4]
 Ka enga anie ny otanay,
 Izay mitambesatra aminay
 No hibebahanay izao,
 Hanaovanay ny sitrakao.

[V5]
 Ny taom-baovao, diavinay,
 Ny taona teo, tafitanay,
 Ka dia ny fitarihanao
 No mba irinay aminao.</lyrics>
<hymn_number>749</hymn_number>
</song>